ary misaotra amin’ireo mamy sesehena navelanao ho an’ny Malagasy.
VOLOFOTSIKO
Ny dinitro tsisy mpahita…
Ireo ranomaso nateliko…
‘Lay samboko saika tafita…
Ny vakin’ny tranon-tanteliko…
Ny antson’ny moana ao anatiko…
Ny tòloko, ahy samirery…
Ny tendry nolavin’ny satriko…
Ny kirin’ny foko miery…
Ny ezako mba te-ho sambatra…
Ny faitra sy ngidy natosiko…
Ireny sy ireny nitambatra
no zezik’ireo volofotsiko.
RADO - 8 febroary 1972
Share This