Raha mbola misy blaogy azonao atoraka hamoahana feeling…nahoana no tsy izany no handanianao ny alin’ny ririnina !
sept
17
By: ikalamako

ary misaotra amin’ireo mamy sesehena navelanao ho an’ny Malagasy.

VOLOFOTSIKO


Ny dinitro tsisy mpahita…

Ireo ranomaso nateliko…

‘Lay samboko saika tafita…

Ny vakin’ny tranon-tanteliko…


Ny antson’ny moana ao anatiko…

Ny tòloko, ahy samirery…

Ny tendry nolavin’ny satriko…

Ny kirin’ny foko miery…


Ny ezako mba te-ho sambatra…

Ny faitra sy ngidy natosiko…

Ireny sy ireny nitambatra

no zezik’ireo volofotsiko.

RADO - 8 febroary 1972



Leave a Reply