Fitia voarara, fitia tsy anjara,
Moa fitia adala,
no nosoratan’ny fontsika na dia maro mpahalala ?
Tsy mba nisy fikasana, tsisy voady nilokàna
kanefa isika roa, dia nianoka tokoa ireo isanandrontsika ;
tsy antsika ny ampitso.
“Ianao no adala, hoy Izy,
…ny rehetra anie nandalo,
izato ianao dia toa tamana
ho lany andro, ho lany zara”
Saingy nihomehezantsika
fa nazava fa tsy mora ho an’ny maso tsy antsika
ny mandrefy ny halalin’ito mba fitiavantsika
diso vala, nibirioka.
Izany isika vaky hehy nahatalanjona ireo namana,
na rehefa izaho tsy hitahita raha sendra disadisa ;
tsy niafina izy ireny, nampangain’ ny endrikao.
Irony andro lanintsika tsy miahy izay ampitso
tanivon’ny tontolontsika,
sombim-piainana notazana teny an-tsefatsefan-dravina.
“Ianao no adala, hoy Izy,
fa ny rehetra anie nandalo…”
Fa ireo andro maro nifanesy
tsy hita dia toa lasa taona.
Dia nisy koa ireo nandalo
fa ianao toa teo hatrany.
Saingy tonga ny andro iray
nanirahan’ny fiainana ahy
hita rano, hiova lafy, handranto izay hahasoa
Taona firy no voadia ? … Sivy taona raha atontaly !
Fa ny tsiky sy fitiavanao nanjohy tsy nisy fiafarany,
ka na ranomasina aza tsy nahasakana izany.
“Ianao no adala, hoy Izy,
ho lany andro, ho lany zara…”
Dia iny tonga ny andro iray nanao haody ilay anjara,
dia voatsiahy teo lahy ilay vazivazinao mazàna :
“hotsofin-drano ianao raha sehatra
olon-tena tia anao
ka hanadinoanao ahy,
fa izay rehetra hatramizao tsy nahaovoka niatrika
ny fitomban-dahinao.”
Dia tànanao ny teninao,
izay no naha-ianao anao
tsy nahafoizako anao.
Taona maro aty aoriana,
impiry aho nanontany tena :
Moa tsapany va re
fa sambatra aho, araka ny faniriany
manana olon-tia sy tiana ?
Impiry aho nanontany tena :
Manao ahoana lahy ianao,
nandritra izay dimy amby folo taona
tsy nahenoako vaovao ?
Kanjo vao tsy ela akory izay,
nofiko aho namangy anao, toy ny tamin’ny fahizay
Nofiko ianao nandroso, nipetraka nanoloana ahy…
ry lanitra ô,…ilay tsikinao !
ilay nahababo ahy !
io mamiratra anoloako,
mitsiky koa ny masonao mibanjina ahy.
Fa iray minitra fotsiny ihany
dia nivadika ilay nofy ;
fa ny hazavan’ny endrikao
tena tsy afaka imasoko nony iny aho nifoha.
“Misy zava-tiany ambara angamba” hoy aho miteny irery,
“Mahatsiaro ahy ve izy sa sao sanatria avelo ?”
Soa fa nisy fandrosoana…
Ka izay mitovy anarana aminao dia nokatsahiko avokoa
…nidobodoboka ny foko, injao,
tojo anarana sy endrika tsisy hafa aminao
Dia hoy indray aho anakampo:
“moa izao nalahatrao,
satria efa fantatrao fa tsy hiverin-dàlana aho ?”
Dia natoniko hohatsafaina
Moa ve Izy niahiahy ?
Asa re !
Eny angamba.
Dia toa azoko an-tsaina fa izay ianao izay,
lokilokin’ny hehy indray mahita ahy misahisahy.
Kanjo,
kanjo,
injay ary ilay nahiako :
ilay endrikao nazava loatra :
…hay ianao any ankoatra !!!
Izay no valin’ny fanontaniako.
“Indrisy, hoy Izy, tsy eto intsony izy,
na dia satriko aza,
satria haiko fa hahafaly azy,
raha hotantaraiko aminy izao resatsika izao”
(ehhh, raha mba fantatrao !)
“Eny, hoy aho, raha teo izy
(mety ho niontana ny fony
amin’ny segondra iray hanononanao ny anarako,
saingy izy tsy ho gaga fa hilamina sy tony)
ka hiaraka hitsiky ireo masony sy molony
raha notantarainao azy izao resatsika izao.”
Dia nitsiky teo ny molotro,
ny ranomasoko nijojo,
nefa ireo hehintsika toa nanako tao am-poko.
Fa nitamberina indrindra ka nampionona avy hatrany,
atao ahoana ny hanadino, impiry ianao nianiana hoe :
“tsy mba hisy hahakosoka
fa tampisaka miraikitra
sy voasokitra amin’ny fiainako
ny fandalovanao“.
(”Ton passage dans ma vie est indélébile” - sic)
_____________________________________
Ito koa ilay hira toa nisolovava,
nataoko an-taratasy sy nosoniaviko
tamin’ny anaram-bositro nosoratako nivadika ;
Dia notehirizinao,
tambonin’ny birao
niaraka tamin’ny asanao.
Hadalana, hoy isika, homehy
ny hitory ny fitia ka hanitsa-bolokano
sy handrehi-dranomasina !
Kanefa akory atao,
tsy mifankaiza, hoy aho
amin’ny amiko sy ianao.
Kay le… gravy zany.
Iza no nanoratra an’io ry Rondro?
septembre 9th, 2009 at 12:17la soussignée
septembre 9th, 2009 at 12:34Tsy tiako be ilay fiafarany. Ianao izao hiteny hoe tsara fiafara… fa ohatran’ny ratsy fiafara ihany…
Aleo atao hoe mbola tsy nifarana.
septembre 9th, 2009 at 12:39Fiafaran’ny inona sa fiafaran’iza ?
Mbola kofona ny mpanoratra, avy nisotro rano dia eto am-pandevonana…:’(
septembre 9th, 2009 at 6:11izay vao nisokatra e!Izay vao afaka mametraka ilay fisaorana taminn’y fizarana!Tsara be ilay lahatsoratra e!kiss be njy
octobre 28th, 2009 at 6:56Chapeau ! kay misy pôety manafin-talenta any an ! tena mankasitra sy mankalaza akia a ! dia misaotra koa nizara e ! tsy hadinoko ny hoe : “MEHEREZA” ary HO ELA VELONA ANIE NY FAHATSIAROVANA.
Manoroka mamy.
octobre 30th, 2009 at 9:48azafady amin’ny fahadisoan-tsipelina fa ohatry ny maimaika dia ….
octobre 30th, 2009 at 9:52Fa mankasitraka hoy aho, mahereza koa !
waoh tsara akia
décembre 8th, 2009 at 12:37misaotra akia ry kala_mialy a. Eee, rehefa misy mahazo ny fo dia lasa poety tampoka izy (le coeur poète)
décembre 11th, 2009 at 12:51