Raha mbola misy blaogy azonao atoraka hamoahana feeling…nahoana no tsy izany no handanianao ny alin’ny ririnina !

Currently browsing posts found in février2010


fév
14
By: ikalamako | Discussion (0)

Share This



fév
10
By: ikalamako | Discussion (0)

Tsy mba ampy raha ny teny
Na andalana handry eto,
Hiderana ny herinao
Miady mafy handresena
Ilay foza mampikena.
Ary na miavy an’angaredona aza
Izato hetraky ny fiainana,
Toa ny sangy mihoatra loha ;
Vehivavy tsy mba lazoin’ady
Fa misiki-kerimpo
Lehibe tsy hay tohaina
Ilay namana lalaina.
Ka ny an-tsasa-taonjato
Tratra soa omaly izay,
Dia amboara holanjaina
Antoky ny tanja-tsaina
Eny an-kianja fiadiana
Tany maina sy makiana.

SHOAN

Roma, 10 janoary 2010

Share This



fév
09
By: ikalamako | Discussion (2)

Hira efa tany amin’ny 1983 izy ity, nataon’i Frank Baier niaraka tamin” i Tselonina fony nanao fampisehoana tao amin’ny Cinéma Kanto izy ireo.
An’i Käufer ny tonony, Baier ny feony, Armin Kerker no nandika azy tamin’ny teny frantsay ary i Tsilavina Ralaindimby no nandika tamin’ny teny malagasy.
Die Liebe, der Mensch, die Revolution
L’Amour, l’Homme, la Révolution [...]