Raha mbola misy blaogy azonao atoraka hamoahana feeling…nahoana no tsy izany no handanianao ny alin'ny ririnina !
Dec
28
ikalamako (2015)

 

faharondro

Ireo ora maro nampindraminao,
rehefa izarako ny tsiky sy ny hehiko,
Ny tsororo-dranomaso fanankiko aminao,
ilay izaho mitanondriky ny fahareseko,

Ny fiantsorohanao ny lanja sendra mihoatra,
tsy zakan’ny lamosiko nananika havoana,
Ireo bozaka natafonao ‘lay tao-trano keliko,
tsy efan’ilay tànako niempaky ny taona,

Ny vary an-tsotronao nafahanao ny vavako
sendra ngindingindy tsy nahatelin-kanina,
Ny anjara ranonao nifanasahantsika,
raha foana teo ny zingako tan-tany karankaina,

Ilay sandrin-tànanao natolotrao ho tehina,
raha kolepaka ny tongotro hiampita ny tetezana,
Ilay ahibanonao nasatrokao ny lohako
dotran’ny hain’andro fa lavitra fialofana,

Ianao nikaoka loha, nitady toro-hevitra
nasetrinao ny olana tsy nahitako tory,
Taminao koa ny teny nampilamina ahy
niakatra tambavy sy nisafotofoto,

Ny ripadripak’hehy nampisary zaza
tamy tsikombakomba nanavotr’hadalana,
Ireto sy iretsy, isaorako anao
tsy nanisy kajy raha nanaiky ho namana.

28/12/2015



2 Responses to “Ireto sy iretsy, isaorako anao.”

  1. zah zah Says:

    Soa re izy izany e.

  2. ikalamako ikalamako Says:

    melsiii Jo sélie-ko

Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.