Raha mbola misy blaogy azonao atoraka hamoahana feeling…nahoana no tsy izany no handanianao ny alin'ny ririnina !
Oct
28
ikalamako (2013)

Tsy haiko ny tsy hamaly ity Tso-dranonao ho an’ny Firenena ity ry zoky.

Fa izay fonao efa nahay nibanabana izay aza avela hihidy intsony fa mbola marobe ny mila ny fitiavana an’i Madagasikara toy ny ao anatin’ io fonao io.

Nahafoy nametraka ny gitara sy ny rôkarôka ianao ka natakalonao tahon’ny saina fotsy narantirantinao izany tamin’ny 30 jiona 2009 raha niharatsy ny toe-draharaham-pirenena.

Natsanganao ny FAnambinana MAdagasikara – FAMà tamin’ny febroary 2011 fa hoy ianao hoe “Maha-ambinina ny mampanambina ny hafa”. Nanomboka nasainao ny tanimbolinao raha ny hafa mbola nifanaritaka nitady ny tombotsoany manokana. Ambony indrindra taminao ny tanindrazana tanin-taranaka ka tsy nampihemotra anao ny sedra rehetra teo am-piasanao ny tany.

Ny mangarahara no tarigetra nitondranao ny tetikasanao. Ny teo am-pelatananareo mivady, valin-katsembohan’ny tavanareo hatramizay no nentinareo niatrehana izao rehetra izao.
Nadio ianao, nadio ny sainao, nadio ny tànanao, nadio ny lalaonao (na tsy kilalao aza ny fiainam-pirenena).

Faly izahay ary mirehareha fa manana an’Ikaky Ravaho i Madagasikara ary enga anie ho lesona ho an’ny rehetra milaza ho tia tanindrazana ny vitanao sy mbola hataonao ho anay.

Tifi-danitra iny ka nahavoa tendrombohitra. Tsarovy fa tsy voatery hianika an’ Imanjakamiadana vao afaka mikarakara an’Imahamasina izay tena mila olona toa anao.

Misaotra indrindra razoky.
Misaotra zoky Holi, tànana nisintona azy hitsangana raha reraka izy, soroka nianteherany raha nivembena izy, teny nampahery azy raha ketraka izy nandritra izay fotoana rehetra izay.

Bulletin (2)



2 Responses to “Fisaorana ho an’i zoky Vahömbey taorian’ny fifidianana filoham-pirenena.”

  1. Vahömbey Vahömbey Says:

    Mankasitraka indrindra.
    Teny mamy mampiharin-doha ny voasoratrao, ry bavikely.
    Mankasitraka tokoa.
    Vah.

  2. vahinala vahinala Says:

    Mankasitraka mankatelina Vahombey.
    Tsy nisafidy ny FIOVANA Ramalagasy fa naleony manohy mihondikondina ao…. Aleo izy ho eo! Mila fotoana izy!

Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.