Raha mbola misy blaogy azonao atoraka hamoahana feeling…nahoana no tsy izany no handanianao ny alin’ny ririnina !

» Currently browsing: poème


mar
08
By: ikalamako | Discussion (2)

ATI-TSITRAKA HO AN’NY VEHIVAVY
Ny vehivavy ve? – Moa tsy bikabika
Sady sarisarin’ny tany onenantsika?
FA NY VEHIVAVY ROAPOLO TAONA
No tanin’i Afrika tsy mbola notrandrahana,
Misaly zava-miafina, mpikaro-pahafahana.
NY TELOPOLO TAONA
No India –rentirenty manintona ho hanitra
Mirado rojovola, miravaka andriamanitra.
NY EFAPOLO TAONA
No Eoropa mihetsiketsika anaty fandrosoana
Sy ny helatrelatry ny fiaina-manoloana.
NY DIMAMPOLO TAONA
Dia hipoka sy zina – tahaka an’i Amerika -
Tahiry saro-bidy [...]



fév
10
By: ikalamako | Discussion (0)

Tsy mba ampy raha ny teny
Na andalana handry eto,
Hiderana ny herinao
Miady mafy handresena
Ilay foza mampikena.
Ary na miavy an’angaredona aza
Izato hetraky ny fiainana,
Toa ny sangy mihoatra loha ;
Vehivavy tsy mba lazoin’ady
Fa misiki-kerimpo
Lehibe tsy hay tohaina
Ilay namana lalaina.
Ka ny an-tsasa-taonjato
Tratra soa omaly izay,
Dia amboara holanjaina
Antoky ny tanja-tsaina
Eny an-kianja fiadiana
Tany maina sy makiana.

SHOAN

Roma, 10 janoary 2010

Share This



nov
11
By: ikalamako | Discussion (1)

“Tandrify sy Sahaza”, tononkalo nosoratana sy angolain’i Andamioly

Share This



fév
27
By: ikalamako | Discussion (1)

MALAGASY  MANKANY

Eny hoy aho Ramalagasy
Malagasy be fivoarana,
Tsara haingo, tsara vatsy,
Tsara sampy, tsara anarana.
Izato fihetsiketsikao e !
Izato fomba amam-piteny,
Ianao no tena “Malagasy” fa tsy ireny Ntaolo ireny
Satrinay hitsinjo ihany
Izato ianao mirehareha ;
Borizanom-pandrosoana, miedinedina fandeha.
Soa manko nitanila ilay Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe:
mandehana sombiniaiko !
Soa fa niato kely koa, Rangahy
Ilay antitra efa goga,
‘Zay nisatroka haibano
Sy nitafy lamba soga,
‘Zay [...]



fév
08
By: ikalamako | Discussion (0)

Efa atao ny famotorana..
Rehefa misy zava-doza zay mitranga eto Imerina,
ka mandalo fitsarana dia izao no averimberina :
Tsy azo afenina ny marina fa holazaina am-pahatsorana,
Saingy mahandrasa kely f’efa hatao ny famotorana.
Io ny lapan’ny tanàna, kila rava fa nodorana
fa izao no teny re: efa atao ny famotorana
Maty koa Ratsimandrava, tapi-dalana nizorana,
Fa izao no teny re: efa ato [...]



jan
31
By: ikalamako | Discussion (0)

LA CANTATE HEROIQUE
(Poème)
Audite, Insulae
Psaume ?

Ile !
Aux syllabes de flamme !
Jamais ton nom
ne fut plus cher à mon âme !
Jamais ton nom,
Ile
ne fut plus doux à mon coeur !
Ile aux syllabes de flamme,
Madagascar !

Quelle résonnance !
Les mots fondent dans ma bouche :
Le miel des claires saisons
dans le mystère de tes sylves,
Madagascar !

Je te salue, Ile [...]