Raha mbola misy blaogy azonao atoraka hamoahana feeling…nahoana no tsy izany no handanianao ny alin'ny ririnina !
Mar
19
ikalamako (2009)

Les mots m’ont sûrement manqué, tandis que les cris des autres ont rejoint mon silence.

___________

Vahotra ny lela
tsy mahita ambara
mahatsiaro lay zaza
i Kamba malala

Efa nanao izay azo atao
mba nanampiana anao
zay natao tamin’ny fo
nefa atao ahoana moa?

Ny hany azo atao
dia mitraka toy izao
mirary soa indray
ireo zaza miandry anay

Koa miantso ny rehetra
mba hitia tsy misy fetra
indrindra fa ny ankizy
zay tsy manantsiny

Angie (Andry) – 21/03/09
_________
Angie :
Sono triste per la morte del piccolo Kamba (2 anni), non si discute la volontà del Signore ma la povertà della famiglia non ha permesso a Kamba di stare meglio. Abbiamo fatto quello che abbiamo potuto ma non era forse abbastanza 🙁
Pace all’anima suo.

_____________

Avylavitra :
Ho anareo rehetra nahalala azy, ho anareo rehetra nahare fotsiny koa aza angamba, ary ho anareo vao nahita ny aminy amin’ny alalan’ity hafatra ity, dia fantaro fa TSY MATY AO AM-PO I KAMBA
……
Tsarovy ny fiaraha-mientana nentin’i Kamba teo amintsika rehetra, tazony izany ho fahatsiarovana azy sy ho fanohizana ny asa amin’ireo Kamba kely hafa mila izany, sy mbola hila izany.

Maty izy, tsy nahavita nisaotra anareo rehetra tonga nijery, nitrotro sy nanafosafo azy fony fahavelony, maty tsy azontsika  natrehina tamin’ny fotoana farany sy ny minitra fara-fananana azy koa, nefa koa VELONA  SATRIA MBOLA EO ISIKA REHETRA NIARAKA TAMINY SY NANOHANA AZY.

________________

Anarim :
eny e, miezaka mitraka isika rehetra, ary aoka tsy hisy sentiment de culpabilité satria na inona na inona lazaintsika dia tsy azo lavina fa fikasana ny an’ny olombelona fa ny fandaharana ny aina tsy ananany fahefana…

__________

Holy :
Until we meet again Kamba …

“Quand tu regarderas le ciel, la nuit, puisque j’habiterai dans l’une d’elles, puisque je rirai dans l’une d’elles, alors ce sera pour toi comme si riaient toutes les étoiles. Tu auras, toi, des étoiles qui savent rire !
Et quand tu seras consolé (on se console toujours) tu seras content de m’avoir connu. Tu seras toujours mon ami. Tu auras envie de rire avec moi. Et tu ouvriras parfois ta fenêtre, comme ça, pour le plaisir… Et tes amis seront bien étonnés de te voir rire en regardant le ciel. Alors tu leur diras: “Oui, les étoiles, ça me fait toujours rire !” Et ils te croiront fou. Je t’aurai joué un bien vilain tour…”

Notre Petit Prince a chacune d’entre vous les ZV et a tous ceux et toutes celles qu’il a touche(e)s de pres ou de loin. Un ange vient de naitre.

_______________

Ciro :
Addio al piccolo Kamba, il bambino malato e operato sostenuto da tanti volontari, una striste storia finita con la sua tragica morte a soli due anni.

________________

Mangamaso :
Je suis sincèrement attristée de savoir que le petit Kamba soit décédé. C’est en lisant ton blog que je l’ai su. C’est comme ça, pendant que tout le monde était occupé avec la politique, cet enfant est mort…Quelle tristesse. Cette famille fait partie des pauvres de Madagascar, des milliers de gens qui ont besoin de vivre dans la dignité…

_____________

Famille Paraina :
miombon’alahelo amin’ny fianakavian’i Kamba rehetra izahay aty ary mampionona ny rehetra izay niaranifarimbona tamin’ny fikarakarana azy fony fahavelony.Fa Andriamanitra no mandahatra ny zava-drehetra ka ny anjarantsika olombelona dia ny manaiky izay fandaharany.

________________

Hery :
Tsy dia nahavita zavatra be loatra ho an’i Kamba aho. Izay angamba no nampilatsaka tsy tana ny ranomasoko tamin’ny nandray ny hafatr’i Avylavitra. Misaotra anareo rehetra izay tsy nitarain-tana-mihepaka tamin’ny nikarakarana azy. Tsy very maina ireny fa fitiavana daholo. Miara-miory amin’ny fianakaviany indrindra. Ary mifankahery amintsika ihany koa.

______________

Pascale :
Il n’est pas mort pour rien, il a été entendu, et il est parti en supportant le maximum de ce qu’il peut endurer sur cette terre. Il ne faut culpabiliser qui que ce soit, renforcer votre courage, et dites vous, que vous aviez contribuer à votre niveau à faire du peu de temps qu’il a vécu, une lumière dans son parcours. Courage à la maman.

________________

DotMG :
:’(

________________

Jogany  :
Un ange a touché nos vies, merci d’avoir été une famille pour lui.

________________

news2dago :
Miara miory @ fianakavina! Fandalovana ny eto an-tany e! ary vetivety foana dia tapitra ny andron’ny olombelona.
Nisaotra antsika rehetra nahatsiaro azy am-bavaka t@ ireny fotoana nandidina azy ireny.Miandry antsika any izy e!

_________________

Rakaroka :
Ndriiiiiy Mamangy @ fahoriana ny fianankaviana sy ny namana manontolo, mahatsiaro manokana an´ikalamako aho: Tsy nitsahatra ny niresaka io zaza io izy na t@ `za tany italia na t@ fihaonan´ny Sera Dago farany teo tany Mahajanga , mbola nanontany vao2 sy nampamangy tany!
atao ahoana fa efa niala nenina isika!…

___________________

Maria Elena – GVO/italien :
je crois qu’il serat les plus beau des anges du ciel.Je fairat une priere pour lui. Gros bisous pour sa maman, merci de avoir moi donner la notice.

_____________________

ari.malala :
Mirary fiononana feno akia a! Miombona alahelo aminareo rehetra! Ampitao @ fianakaviana ny fiaraha-miory. Mivavaka hoazy sy ny fianakaviany.

___________________

Sipagasy :
Tohina ny foko nandre ny fahalasanan’ilay zanaka an-tany lavitra, veloma KAMBA!

____________

Simplex :
Tankina koa aho.
Tsy mahita ho lazaina…
mampalahelo tokoa.
Efa feno fanatenana nefa dia nandao antsika sahady izy.
Miara ory @ fianakaviana sy namana akaiky.

__________________

Shoan :
  “RIP”

_________

Kelly13 :
zay ngamba no “mieux” ho azy sy ny fianakaviany!
miombon-kalahelo

______________

Fahamarinana : 
ndryy ! mampalahelo be ! mandria am-piandanana i Kamba

__________________

Ikalakely :
NON NON NON …NON NON NON…. fa naninona?
Ndrôoo… mampalahelo be koa izy izany! Lalan’ny fiainana daholo izany.

_______________

Sitlo :
Aza misosoka alahelo intsony Ikalamako!
:hug:

_______________

Jean :
Izahay koa dia tena malahelo tokoa. Tao ho ao koa moa dia variana amin’ity raharaha politika tsy misy farany any Dago ity.

__________________

Vale :
Ntsooo, mahereza dia mivavaka ho azy!!
mahatsiaro tampoka ny zandriko vavy koa za zany, vao maty tamin’ny Décembre teo koa izy!!
hummmm, fandalovana ny ety ka izany no antony ifankatiavana sy hanaovana ny tsara mandrankariva!!
mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana!

_____________________

Ravatorano :
miara miory isika e !
paix à son âme

______________________

Maintikely :
Mais qu’est-ce qui s’est passé?
tsy hitako izay tenenina,

_____________________

Soanja :
E eh mampalahelo tokoa izany. Miara-miombona alahelo amin’ny rehetra noho izany fahalasany izany. Tombon’andro ny antsika fa izy nialoha lalana. Matoria ampiadanana Kamba zanaka malala.

____________________

Ralay :
Dia mirary fiononana ho an’ny fianakaviany, atao ahoana fa izay no lahatra. Koa dia mahaiza mionona.

____________________

Ratovoary :
Miara-ory @ fianakaviana, mafy zany namoy zanaka izany, sarotra ny ikosehana ny fahatsiarovana indrindra raha efa nifanerasara t@ tena.

______________

Pitou :
Kayyyyy, mampalahelo b
Nanaraka akaiky ny tantaran’i Kamba tokoa za fa saingy efa hainao ihany fa tsy d mpametraka com’s firy, le mamaky no tena talentako :p……….
Toutes mes condoléances
Efa sambatra izy any…….
:-*



Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.