Raha mbola misy blaogy azonao atoraka hamoahana feeling…nahoana no tsy izany no handanianao ny alin'ny ririnina !
Mar
08
ikalamako (2010)

ATI-TSITRAKA HO AN’NY VEHIVAVY

Ny vehivavy ve? – Moa tsy bikabika
Sady sarisarin’ny tany onenantsika?

FA NY VEHIVAVY ROAPOLO TAONA
No tanin’i Afrika tsy mbola notrandrahana,
Misaly zava-miafina, mpikaro-pahafahana.

NY TELOPOLO TAONA
No India –rentirenty manintona ho hanitra
Mirado rojovola, miravaka andriamanitra.

NY EFAPOLO TAONA
No Eoropa mihetsiketsika anaty fandrosoana
Sy ny helatrelatry ny fiaina-manoloana.

NY DIMAMPOLO TAONA
Dia hipoka sy zina – tahaka an’i Amerika –
Tahiry saro-bidy ara-teknika.

NY ENIMPOLO TAONA
No velatr’i Rosia takarina hidirana,
Mpanavotra sahirana, kanefa manahirana.

NY FITOPOLO TAONA
No Nosy mipariaka nomena fanambinana
Anti-mitanisa amboaram-bolan-tsinana.

NY VALOPOLO TAONA
No Tendron-tany roa tsy takatra polorina,
Vaingan-dranomandry sarotra antomorina.

Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA



2 Responses to “8 martsa manitra mimosa ho an’ny Andriambavilanitra.”

  1. tritriva Says:

    Tiako be ilay tononkalo sy ny mimoza 🙂
    Izaho moa dia NY DIMAMPOLO TAONA
    Mbola tsara ihany kah !
    Misaotra akia fa mahafinaritra, bisous.

  2. ikalamako Says:

    tsisy fisaorana fa miara-mijery ny sarintanintsika eto isika roa e, sady mifanarakaraka ao ihany kah, tsy ho ela dia ho lasa Amerika koa ! hihihi

Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.