21 martsa : miandoha ny lohataona. Kanefa andro iraisam-pirenena ho an’ny tononkalo ihany koa anio. Tsy aritro ny tsy hizara ity tononkalon’i Jaha ity eto.
__________________
Misy ora toa izao
Raha baliaka ilay masoandro,
Ary ny andro lohataona.
Nefa tsy hitanao imolotro,
Ilay fitsikiko isan’andro.
Raha ilay raozy mena tiako,
Manosaka ny hatsarany.
Nefa jery vasobasoka,
Tinazanao imasoko eo.
Dia hiangaviako ianao
Ho tony,
Tsy hanova kely akory,
Ny fihetsika mahazatra anao.
Tiana,
Misy ora toy izao,
Tsy misy inona tsy akory,
Tsy miankina amin’ny izaho sy ianao.
Misy tranga tsy haiko antony,
Ampagoron’ny andro lasako?
Avelon’ireo tsy levona,
Ambiroan’ny kinasako ?
Tsy voatery,
Hisy hidirantsika ho’aho,
Raha serena ilay fanahy.
Fa ny mira hatramin’izao,
Dia ilay fitiavanao sy ny ahy.
Tiako ianao tahak’izao,
Ny amintsika ampy ho ahy,
Aleo handeha amin’izao,
F’aza manana ahiahy …
Minitra iray, indray maraina,
Hiverina io tsikiko io …
Izaho sy ianao, miray aina,
Zay no tena tadidio …
ARISON JAHA