[yframe url=’http://www.youtube.com/watch?v=Za4UO6sDIAI&feature=related’]
Boboka aho ry Tanindrazako ka avela ianao ho eo !
fa izaho sy ny hazakazako, handositra fa efa leo;
Izato fahorianao sy ny fijalianao,
izay manjary fahoriako ary lamba fitafiako !
… Aiza ve k’izaho irery sisa no natao hijery
izao endrikao mivava sy ny hasoanao voarava ?
Fa ny maro dia efa tola : ao ny lasa babom-bola
Tao ny reraky ny tolona, ka nalazo famololona.
Tao ireo lasana sahady fa trotraky ny lazon’ady.
Tao ireo tsy nahasehaka, resin’horaka sy tehaka.
Nisy matin-kenamaso tamin-tsiron-tsaramaso.
Tao ireo lavo tsy tafarina, nivaro-boba irony marina.
Ireny rehetra ireny, lasana any tsy niteny.
Ary izaho irery sisa tamin’ireo an-tapitrisa
no milanja ity tolàna izay mivaona sy mibàna.
Eny, izaho, izaho irery, no mifofotra amin-kery
sady tsy tafandry mandry, mampijoro izato andry.
Nefa itsy rindrina itsy efa tazako mihitsy
fa mivaona tsy mahitsy, k’afaka fotoana vitsy
dia hidaboka, hikoa, raha tsy indray monjena koa.
Ny zana-tohatra efa tapaka, toy ny rihana sy rapaka.
Ny tafo izay nataon’Ikaky, indreo miantomboka ho vaky.
Maina koa ny lava-bary, toa akaiky ny mosary.
Ny vy fahiny nampalesina, indreo fa lanin-karafesina …
Te-ho folo izao ny tànako, hanamboatra anao, fananako.
Nefa dia tsy amboa tsy lambo, ka raha avy izay antambo,
haninona aho no ho faty irery, hanolo-tena hanao vivery ?
Fahafirin’iza aho no hiari-doza be mitraho :
hianjeran’ity vovonana sy ho voafingana an-tokonana ?
O ! mihidy izato vazako,
K’eo ianao, ry Tanindrazako !
Avela ianao ho potipotika !
Avela ianao ho rotidrotika !
Izay mianjera, avela hianjera !
Izay te-hitsetra anao, mitsera !
Lasana aho ! Veloma ianao !
Izay mitranga ? Ao ny anao !
… Loza izao hasahiako ! Andray, iky, ‘ty habibiako !
Nasiaka izato fitenenako ! Ô, ifonako, anenenako !
F’iza intsony, k’iza intsony, ô, ry lovako ambony
no hiaraka aminao hizaka izao rehetra izao,
raha lasana aho mandao ?
Ô, ianao irery sisa no hany mba hamisavisa …
Eny, ianao, ianao irery no hizaka ireto fery
sy ny kaikitry ny fositra, raha lasana aho mandositra !
Fa ny andro takariva amin’izay ho tena ziva.
Ny maraina dia ho haolo, ny tanàna dia ho ntaolo !
ka ny vahiny izay mandady no hanatsatoka ny kiady
ity tananako fahiny, noheveriko mba ho “afaka” iny !
Tsia ! fa hiova hevitra aho, ka n’inon’inona fitraho
sy fanandindonao ho rava, hiorina eto lalandava
ny fisiako manontolo, na lò ianao na bobongolo !
Ka avela hitsoaka izay hitsoaka !
Avela hipoaka izay hipoaka !
Avela hivadika ny rasa !
Avela ho lasa izay ho lasa !
Fa matokia ianao, ry Taniko, ry Sampy tiako sy andrianiko !
Ny ahy, jereo, io tànako io f’homeko hery indray anio,
hanohana ny vatan-trano, na dia hahitako angano !
Ka raha alina ny andro, f’efa dila ny masoandro :
ny voloko eo, ho lahinjiro ary ny aiko no hamikiro
mandra-piavin’ny maraina efa tsinjoko ao an-tsaina !
Ary ny hamboko rehetra sy ny dinitro no feta
hanambarako izay triatra …
Raha tsy ampy ireo, ny rà tsy ritra
fa atosako, homeko ho anao, ry fireneko …
Ka na tokana ny tenako, na voafetra ny harenako,
izao no hafatro aminao : “Maty aho vao maty ianao.”
Fara-faharatsiny aza (aza atao hoe hevi-jaza)
miara-maty eto isika, miara-rava sy mivika
fa tsy tohan’ny fisainako sy tsy zakan’ny fiainako
izany ianao ho “rava irery ” tsy mba nisy mpampahery !
RADO
tsara loatra,
Aogositra 18th, 2011 at 2:54 amtiako fotsiny tsotra zao
Serasera.org
Aogositra 27th, 2011 at 1:55 pmEny tiko fotsiny am zao e! mankasitraka fona♥♥♥
Desambra 5th, 2011 at 11:43 pm