Raha mbola misy blaogy azonao atoraka hamoahana feeling…nahoana no tsy izany no handanianao ny alin'ny ririnina !
Apr
07
ikalamako (2013)
« Nirindrina any izay ilay varavarambato,
Tapitra tokoa; vita ny hazakazakao…
Ny adinay atý tsy vita fa i Neny izato,
Ahiana dia ahiana hilefa sy handao,
Nefa tsy mahalala akory fa efa lasa ianao… »

01/04/2011

Ainga nisidina ny 1 aprily 2011, andro nandevenana an’i Didi, zaodahiko, tany Madagasikara, kanefa tamin’izay indrindra no narary mafy tampoka ihany koa ny rafozako taty Italia, ka tsy hita nilazana akory ny nahalasanan-janany. Nodimandry koa izy andro vitsivitsy taorian’izay, ny 14 aprily  2011, rehefa hita fa tsy nisy vokany ny nampatoriana azy tamin’ny fanafody nandritra ny 10 andro mahery. Ny vaninandron’ny Paka toa izao, mavesatra fahatsiarovana nanomboka teo.


Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.