Hitako nitafitafy iny lelam-baravarany
Ka nandiso avy hatrany ireo zavatra nambarany,
Satria nilaza tamiko izy : « efa fefika ny zahatra,
Rava teny anivon-drano, tsy mba nisy iray namahatra ».
Efa fefika ny fo ka tsy re ny emponempony,
Nisamboaravoara mafy dia… nangina ny fitempony.
Ka ny aina nihararetra, ny fitia namboloina,
Samy foana avokoa, tsisy ako iray hanoina.
Ô, nilaza tamiko izy fa namita sy namarana
Ary efa nanadino ka nanapaka tangarana.
Iny nofiny aza, hono, nofefeny tsy ho ahy,
Notsipahiny avokoa ny fatoran’ny fanahy.
Kanjo, raha nandalo aho, hitako ny arangarany
Fa nisokatra tsy nahy iny lelam-baravarany.
Rava teo ny finoako ireo zavatra nambarany:
Ny kapoakan’ny fitia tsy mbola tapitra nararany.
Clarisse Andriamampandry RATSIFANDRIHAMANANA
tiakoeeee 🙂
Septambra 8th, 2011 at 10:37 am