Izy Ilay endri-boasokitra am-paran’ny saiko, Tambin’ny avo sy iva. Ainga misoko manenika ny aiko, Am-pitaninako afo hariva. Izy Ilay Fitarikandro mitsinjo ao anatin’ny zavo. Ilay onja mandrendrika zahatra. Rongony mitondra ahy misidina avo, Hanofy ho avy toa lafatra. Izy Ilay andrin’ny aritro ela tanaty fahanginana Ka mahasaky mandidy, Manesy hanadino ny lasa hibanjinana […]
» Currently browsing: Poemas
Misy andro, valalanina ny saina, zary reraka toa, intsony, satry tsy hiaina. Misy andro, hafaliana tsy hay lanjaina, no iny ody nampilefy ilay konaina. Misy andro, toa ity rotika ny zahatra, ny tena hana, tsy hita aiza no hamahatra. Misy andro, tena hery tsy omby tratra no manainga fo sy saina mba hitraka. Misy andro, […]
« Nirindrina any izay ilay varavarambato, Tapitra tokoa; vita ny hazakazakao… Ny adinay atý tsy vita fa i Neny izato, Ahiana dia ahiana hilefa sy handao, Nefa tsy mahalala akory fa efa lasa ianao… » 01/04/2011 Ainga nisidina ny 1 aprily 2011, andro nandevenana an’i Didi, zaodahiko, tany Madagasikara, kanefa tamin’izay indrindra no narary mafy tampoka ihany koa […]
Tepotepo-pitoniana Tebitebim-panahiana Ontanontam-pahatairana Ketoketo-panaintainana Dobodobo-pifaliana Ontsaontsam-pahoriana Sentosento-palahelovana Entanentam-pahasambarana Efonefon-kasosorana Emponempom-patahorana Setra, sedra, kiry, oitra Nifaninana ombieny, zary nahaosa Nefa aoka itsy anie ry foko !!! Aza avotsotrao ny aiko F’ikalatokana lalaiko Tsy maintsy mbola hotafitaiko. 25/03/2013
Misokatra ny maso Mijery ny efitrano Dia misaotra ny Avo Nomeny tombon’andro. Miketrika tsy miera Ny adidy maha-reny Misaotra ombieny ombieny Fa mbola feno hery. Manjeny sy miria Miaraka amin’ireo tiana Misaotra fa afa-diana Amin’ny tombom-pifaliana. Raha zary mivembena Tojo zava-mahonena Misaotra am-panetre-tena Fa mana-namana harena. Kibo sendra vatsy Heta ampo-drano Misaotra tsy an-kiato Fa […]